Bokin'ny Nomery 36:10
Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny zanakavavin’ i Zelofada,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Even as the LORD commanded Moses, so did the daughters of Zelophehad:
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 36
Cross References
Exodus 12:50Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
Leviticus 24:23Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Joshua 17:4Dia nanatona teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’ i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’ i Jehovah.
Matthew 28:20sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.