Bokin'ny Nomery 4:24
Izao no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
This is the service of the families of the Gershonites, to serve, and for burdens:
In Context
Cross References
Numbers 3:26ary ny fefi-lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
Numbers 4:19fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masìna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ ny fanompoany avy sy amin’ ny entany avy;
Numbers 4:31Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin’ ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
Numbers 4:49Araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numbers 10:17Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak’ i Gersona sy ny taranak’ i Merary, nitondra ny tabernakely.