Bokin'ny Nomery 5:26
Dia horaofin’ ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 2:2Ary hitondra azy ho amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, izy, dia handraofan’ ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 5:12Dia hitondra azy ho eo amin’ ny mpisorona izy, ary handraofan’ ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.