Numbers 5:27
Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ ny fireneny ravehivavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.
Cross References
Numbers 5:20fa raha nivily niala tamin’ ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
Psalms 83:9Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. [Sela.]
Proverbs 5:4Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
Isaiah 65:15Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
Jeremiah 29:18Ary henjehiko amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ ny firenena izay nandroahako, azy
Jeremiah 42:18Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.