The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 5 › Bokin'ny Nomery 5:9

Bokin'ny Nomery 5:9

Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And every offering of all the holy things of the children of Israel, which they bring unto the priest, shall be his.

In Context

8Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.

10Ary ho azy ny zava-masìna aterin’ ny olona rehetra; na inona na inona omen’ olona ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.

Read all of Bokin'ny Nomery 5

Cross References

Leviticus 6:17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:

Leviticus 7:6Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy: masìna dia masìna izany.

Leviticus 22:2Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah.

Numbers 18:19Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’ i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.

Deuteronomy 18:3Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;

Malachi 3:8Handroba an’ Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no androbanay Anao? Amin’ ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Nomery 5:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Nomery 5:8Bokin'ny Nomery 5Bokin'ny Nomery 5:10 →