Bokin'ny Nomery 6:14
ary hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 3:6Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.
Leviticus 4:27Ary raha misy amin’ ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
Leviticus 14:10Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka zanak’ ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak’ ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
1 Chronicles 15:26Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
Malachi 1:13Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.