bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 6 › Bokin'ny Nomery 6:19
Bokin'ny Nomery 6:19
Dia halain’ ny mpisorona ny sorok’ ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin’ ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin’ ny tanan’ ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the priest shall take the sodden shoulder of the ram, and one unleavened cake out of the basket, and one unleavened wafer, and shall put them upon the hands of the Nazarite, after the hair of his separation is shaven:
In Context
18Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ ny afo izay eo ambanin’ ny fanati-pihavanana.
20Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
Read all of Bokin'ny Nomery 6
Cross References
Leviticus 7:30Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 8:31Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Nomery 6:19