Bokin'ny Nomery 6:27
Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they shall put my name upon the children of Israel; and I will bless them.
In Context
26Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
Cross References
Genesis 12:2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
Genesis 32:29Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
Exodus 6:3ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
Numbers 23:20Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
2 Samuel 7:23Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ ny taninao teo anatrehan’ ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ ny firenen’ i Egypta sy ny andriamaniny?
2 Chronicles 7:14raha ny oloko izay nantsoina amin’ ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.