Bokin'ny Nomery 8:14
Ary ampiavaho amin’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 3:12Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely ho solon’ ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: dia Ahy ny Levita,
Numbers 6:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah,
Numbers 16:9Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?
Deuteronomy 10:8Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
Romans 1:1Paoly, mpanompon’ i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ ny filazantsaran’ Andriamanitra,
Hebrews 7:26Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,