Bokin'ny Nomery 8:17
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Cross References
Exodus 12:29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Exodus 13:12dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
Leviticus 27:14Ary raha misy olona manamasìna ny tranony ho an’ i Jehovah, dia hotombanan’ ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon’ ny mpisorona tombany no izy.
Numbers 3:13satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
Psalms 105:36Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
Ezekiel 20:12Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.