Bokin'ny Nomery 9:14
Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Leviticus 19:10Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ ny sahanao; fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Leviticus 24:22Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 29:11hidiranao amin’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’ i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
Ezra 6:21Dia nihinana izany ny Zanak’ Isiraely izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana mbamin’ izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ ny fahalotoan’ ny firenena tompon-tany hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Ephesians 2:19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra,