Bokin'ny Nomery 9:15
Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
Cross References
Exodus 14:19Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Exodus 33:9Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
Exodus 40:17Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
Exodus 40:35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Numbers 10:34Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.
Numbers 17:7Ary raha niangona hanome tsiny an’ i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’ i Jehovah.