Bokin'i Obadia 1:5
Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Endrey ny fitady ny an’ i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
Cross References
Deuteronomy 24:21Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
Isaiah 14:12Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Isaiah 24:13Fa ao amin’ ny tany, ao amin’ ny olona, dia hisy toy ny amin’ ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
Jeremiah 49:9Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
Lamentations 1:1Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ ny firenena sy andriambavy tamin’ ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
Zephaniah 2:15Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian’ ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.