Epistily ho an'i Filemona 1:7
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
Read all of Epistily ho an'i Filemona 1
Cross References
2 Corinthians 7:13Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin’ ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian’ i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.
1 Thessalonians 2:13Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
1 Thessalonians 3:9Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an’ Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan’ Andriamanitray,
Philemon 1:20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
3 John 1:3Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.