Epistily ho an'i Filemona 1:9
nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
10Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
Read all of Epistily ho an'i Filemona 1
Cross References
Judges 21:22Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
Psalms 71:18Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy.
Isaiah 46:4Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
2 Corinthians 5:20Koa dia iraka solon’ i Kristy izahay, toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo.
Ephesians 3:1Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―
Philemon 1:1Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,