Epistily ho an'ny Filipiana 1:11
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 1
Cross References
Psalms 92:12Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
Isaiah 60:21Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ ny sahako. Asan’ ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
Isaiah 61:11Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra.
Luke 13:6Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
John 15:4Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
John 15:16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.