Epistily ho an'ny Filipiana 1:20
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 1
Cross References
Psalms 25:2Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.
Psalms 119:80Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
Proverbs 10:28Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.
Isaiah 45:17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Isaiah 54:4Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
John 21:19Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.