Epistily ho an'ny Filipiana 1:25
Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 1
Cross References
Psalms 60:6Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. [Sela.]
John 21:15Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
Acts 14:22nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Romans 1:11Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
Romans 15:13Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ ny fanantenana noho ny herin’ ny Fanahy Masìna.
Romans 15:29Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ ny fitahian’ i Kristy.