Epistily ho an'ny Filipiana 1:27
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 1
Cross References
1 Chronicles 19:12Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao;
Psalms 133:1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina
Jeremiah 32:39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
John 17:20Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny;
Acts 4:32Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
Romans 1:5Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’ Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ ny jentilisa rehetra;