Epistily ho an'ny Filipiana 1:28
ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 1
Cross References
Psalms 50:23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.
Isaiah 12:2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
Isaiah 51:12Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
Matthew 10:28Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo.
Luke 3:6Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.
Luke 21:12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.