Epistily ho an'ny Filipiana 2:17
Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 2
Cross References
Acts 21:13Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Romans 15:16mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.
2 Corinthians 7:4Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin’ ny fahorianay rehetra.
Philippians 1:20araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.
Philippians 4:18Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’ Andriamanitra sady ankasitrahany.
1 Thessalonians 2:8dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran’ Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.