Epistily ho an'ny Filipiana 2:19
Nefa manantena ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’ i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
20Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 2
Cross References
Jeremiah 17:5Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.
Romans 15:12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’ i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ ny jentilisa.
1 Corinthians 4:17Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin’ ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’ i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
Ephesians 6:21Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
Philippians 2:23Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
Colossians 4:8ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;