Epistily ho an'ny Filipiana 2:27
Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 2
Cross References
Job 5:19Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
Psalms 30:10Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
Psalms 103:3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Ecclesiastes 9:1Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
Isaiah 38:17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
Jeremiah 8:18Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin’ ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.