Epistily ho an'ny Filipiana 3:7
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ i Kristy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But what things were gain to me, those I counted loss for Christ.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 3
Cross References
Genesis 19:17Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin’ ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
Job 2:4Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Proverbs 23:23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Matthew 13:44Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
Mark 10:50Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
Luke 14:33Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.