Epistily ho an'ny Filipiana 4:1
Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo ianareo, ry malalako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Mananatra an’ i Eodia aho, ary mananatra an’ i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ ny Tompo izy.
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 4
Cross References
Psalms 27:14Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.
Matthew 10:22Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
John 15:3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
Acts 11:23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
Romans 2:7ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
1 Corinthians 16:13Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.