Epistily ho an'ny Filipiana 4:8
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Filipiana 4
Cross References
Deuteronomy 16:20Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
2 Samuel 1:23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
Psalms 82:2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]
Proverbs 12:4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
Proverbs 20:7Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
Proverbs 31:29Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.