Bokin'ny Ohabolana 11:29
Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
30Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 11
Cross References
Genesis 34:30Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
1 Samuel 25:3Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran’ ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin’ izay ataony; ary isan’ ny taranak’ i Kaleba izy.
1 Samuel 25:38Ary nony afaka hafoloana, dia nasian’ i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
Proverbs 15:27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
Hosea 8:7Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.