Bokin'ny Ohabolana 20:6
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Most men will proclaim every one his own goodness: but a faithful man who can find?
In Context
5Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
7Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 20
Cross References
Psalms 12:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida.
Proverbs 25:14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava.
Ecclesiastes 7:28Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
Micah 7:1Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin’ ny fanahiko,
Matthew 6:2Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Luke 18:11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.