Bokin'ny Ohabolana 21:6
Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The getting of treasures by a lying tongue is a vanity tossed to and fro of them that seek death.
In Context
5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
7Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 21
Cross References
Proverbs 10:2Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
Proverbs 20:14Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
Proverbs 22:8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
Jeremiah 17:11Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ ny rariny: Handao azy amin’ ny an-tenatenan’ androny izany, ka ho adala no farany.
1 Timothy 6:9Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
2 Peter 2:3Ary amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.