Bokin'ny Ohabolana 23:6
Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Eat thou not the bread of him that hath an evil eye, neither desire thou his dainty meats:
In Context
Read all of Bokin'ny Ohabolana 23
Cross References
Deuteronomy 15:9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Psalms 141:4Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
Proverbs 23:3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
Daniel 1:8Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
Mark 7:22ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: