Bokin'ny Ohabolana 26:1
Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
As snow in summer, and as rain in harvest, so honour is not seemly for a fool.
In Context
Read all of Bokin'ny Ohabolana 26
Cross References
Judges 9:20Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’ i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’ i Abimeleka.
1 Samuel 12:17Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an’ i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’ i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
Esther 4:6Dia nivoaka Hatàka nankany amin’ i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka;
Psalms 12:8Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.
Psalms 52:1Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida,
Proverbs 19:10Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana.