Bokin'ny Ohabolana 5:22
Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
His own iniquities shall take the wicked himself, and he shall be holden with the cords of his sins.
In Context
21Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
23Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ ny fahadalany.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 5
Cross References
Numbers 32:23Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
1 Kings 18:18Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
Job 18:8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;
Psalms 9:15Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao.
Proverbs 1:18Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
Proverbs 11:3Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.