Bokin'ny Ohabolana 6:3
Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
4Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 6
Cross References
Exodus 10:3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
2 Chronicles 12:5Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka.
Psalms 31:8Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,