Bokin'ny Salamo 103:15
Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
As for man, his days are as grass: as a flower of the field, so he flourisheth.
In Context
14Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
16Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
Read all of Bokin'ny Salamo 103
Cross References
Job 14:1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
Isaiah 28:1Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Isaiah 40:6Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
Isaiah 51:12Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
James 1:10fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.