Bokin'ny Salamo 104:15
Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny;
Read all of Bokin'ny Salamo 104
Cross References
Genesis 18:5dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
Deuteronomy 8:3Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.
Judges 9:9Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan’ ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
Judges 19:5Ary nony tamin’ ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
Psalms 23:5Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
Psalms 105:16Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;