Bokin'ny Salamo 105:23
Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Israel also came into Egypt; and Jacob sojourned in the land of Ham.
In Context
22Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
24Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
Read all of Bokin'ny Salamo 105
Cross References
Genesis 45:9Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tompon’ i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
Genesis 46:6Ary nentin’ izy ireo ny omby aman’ ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
Genesis 47:6ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin’ izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben’ ny mpiandry ny omby aman’ ondriko.
Joshua 24:4Ary Isaka koa dia nomeko an’ i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
Psalms 105:27Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Acts 7:11Ary nisy mosary eran’ i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.