Bokin'ny Salamo 105:34
Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He spake, and the locusts came, and caterpillers, and that without number,
In Context
33Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny.
35Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
Read all of Bokin'ny Salamo 105
Cross References
Exodus 10:12Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ ny tany Egypta ny tananao hihavian’ ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ ny tany, dia izay rehetra sisan’ ny havandra.
Exodus 10:15Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ ny tany Egypta rehetra, na tamin’ ny hazo, na tamin’ ny anana tany an-tsaha.
Joel 1:4Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga.
Revelation 9:3Ary nisy valala nivoaka avy tamin’ ny setroka nankamin’ ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ ny maingoka amin’ ny tany.