Bokin'ny Salamo 105:37
Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
36Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
38Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
Read all of Bokin'ny Salamo 105
Cross References
Exodus 3:22fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ ny miray monina aminy sy amin’ izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
Exodus 12:36Ary nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
Psalms 136:11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Acts 13:17Andriamanitr’ izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.