Bokin'ny Salamo 105:44
Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And gave them the lands of the heathen: and they inherited the labour of the people;
In Context
43Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana;
45Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
Read all of Bokin'ny Salamo 105
Cross References
Deuteronomy 6:10Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
Joshua 11:23Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Joshua 21:43Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
Joshua 24:8Ary nentiko ho any amin’ ny tanin’ ny Amorita, izay nonina tany an-dafin’ i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
2 Kings 17:37Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
Nehemiah 9:25Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ ny fahatsaranao lehibe.