Bokin'ny Salamo 106:23
Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.
24Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
Read all of Bokin'ny Salamo 106
Cross References
Exodus 32:11Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
Exodus 32:32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
Deuteronomy 9:13Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
Deuteronomy 9:25Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
Job 35:8Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
Psalms 105:26Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.