The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 118

1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

2Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

3Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

4Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

5Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.

6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?

7Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.

8Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.

9Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.

10Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;

11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.

12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.

13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.

14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.

15Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;

16Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.

17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.

18Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.

19Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.

20Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.

21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.

22Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.

23Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.

24Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.

25Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!

26Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.

27Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.

28Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.

29Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

← Bokin'ny Salamo 117Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 119 →

Study Bokin'ny Salamo 118

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150