Bokin'ny Salamo 119:176
Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I have gone astray like a lost sheep; seek thy servant; for I do not forget thy commandments.
In Context
175Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Psalms 119:61Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
Song of Solomon 1:4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Jeremiah 31:18Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
Ezekiel 34:6Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ ny tany rehetra no ielezan’ ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
Hosea 4:6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Matthew 15:24Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.