Bokin'ny Salamo 119:21
Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast rebuked the proud that are cursed, which do err from thy commandments.
In Context
20Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
22Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Exodus 10:3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
Deuteronomy 27:15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Nehemiah 9:16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
Job 40:11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
Psalms 119:78Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.