Bokin'ny Salamo 121
1Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
2Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.
6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
Study Bokin'ny Salamo 121
KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)
All Chapters
123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150