The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 122

1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.

2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,

3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;

4Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.

5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.

6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;

7Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.

← Bokin'ny Salamo 121Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 123 →

Study Bokin'ny Salamo 122

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150