Bokin'ny Salamo 128
1Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.
2Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.
4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.
5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.
6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
Study Bokin'ny Salamo 128
KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)
All Chapters
123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150