Bokin'ny Salamo 139:21
Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
22Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
Read all of Bokin'ny Salamo 139
Cross References
Psalms 15:4Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Psalms 31:6Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
Psalms 119:158Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
Mark 3:5Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
Romans 9:1Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masìna koa ny fieritreretako,
Revelation 2:6Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaïta, izay halako koa.