Bokin'ny Salamo 141:5
Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
Read all of Bokin'ny Salamo 141
Cross References
Leviticus 19:17Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
2 Samuel 12:7Dia hoy Natana tamin’ i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin’ ny tànan’ i Saoly;
2 Chronicles 25:16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
Psalms 51:18Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
Proverbs 6:23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
Proverbs 12:1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.