The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 144

1Nataon’ i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,

2Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy

3Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no iheveranao azy?

4Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.

5Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.

6Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;

7Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny rano be, Dia amin’ ny tanan’ ny hafa firenena,

8Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.

9Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao,

10Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra.

11Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;

12Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy.

13Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;

14Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.

15Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny.

← Bokin'ny Salamo 143Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 145 →

Study Bokin'ny Salamo 144

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150