Bokin'ny Salamo 145:19
Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He will fulfil the desire of them that fear him: he also will hear their cry, and will save them.
In Context
18Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
20Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
Read all of Bokin'ny Salamo 145
Cross References
1 Chronicles 4:10Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
Psalms 34:9Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
Psalms 34:18Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
Psalms 37:4Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
Psalms 37:39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
Proverbs 15:29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.